Iray donak'afo - RNofy
Azo vakiana?
Iray donak'afo
Raha miserana manaova mbay làlana,
Raha mifankahita mifandrasa tànana;
Mifampizarà tsiky ho mariky ny fitiavana
Mifampiraria soa fa mpiray Tanindrazana.
Samihafa fihaviana, ny tanàna tsy iray
Ampifandraisin'ny teny dia Malagasy iray.
Samihafa volon-koditra tsy iray firazanana,
Tsy avelan'ny vohitra tsy hifampitazana.
Ny hevitra tsy mitovy, ny saina tsy iray
Tandrovy ny fihavanana fa Malagasy iray.
Asehoy mihitsy koa fa iray donak'afo!
Nefa tsy iray trano fa samihafa tafo.
Sokajy :
fananarana
Mombamomba
Mpanoratra : RNofy

Nampiditra : RNofy
Daty : 04/04/2014
Mpamangy : 1743
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
sa hoe a a...!Toky
Izay ihany
Nofiko
Tia anao aho
FITAKA
Tiako
IANAO
Tsy mendrika anao
be fika