ANDRAN-TSIRA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRAN-TSIRA...
Noheveriny ho fatratra ny tsiron'ny sigara,
kinanjo sempon-tsetroka ny atin'ny avokavony!
Ny taoka sy ny revy notsapainy sao mba tsara,
saingy tsisy kanto, ireny raha ny heviny!

Dia lasa indray nandramany ny loka sy ny etsetrany,
ny ady akoho, soavaly, ny karatra sy sisa!
Teny lany andro, fotoana tsisy fetrany,
tsy nisy raha mba azo, fa gontry anapitr'isa!

Notsinapainy indray 'lay miova olon-tiana,
fa 'zay ny hoe lamaody, iainana ankehitriny!
Ka 'zay manjamanjakely, lazaina ho tena tiana,
'lay farany iny izao, dia nahitany tsiny,
fa zaza tsy ampy taona, fa fotsiny maroroka.
Dia tsy nahay nipetraka, fa maika hanorokoroka!

Andran-tsira kely tamin'ny hala-botry vitsy.
Nongotana mangahazo, nalaina ny fiompiana!
Tratra dia nilaozan'ny namana nidify,
ka izy samirery no nilanja fijaliana!

Teo vao tena tsapany, ny fetran'ny hadalana!
Ny hafa koa tsy namana, raha tsy ny tombontsoany!
Moa ve tara loatra, raha aty am-pigadrana,
izy vao hanova, ny fiainana talohany?
Ka hanandran-tsira, ny hanatona ny Tompo,
hamafa irony lasany, ka hanandrana hanompo!
RRAG
27 Jolay 2021
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179