ANGAMBA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA...!
Tsy afaka aho ny hitsara, tsy afaka hanameloka.
Tsy afaka ny hilaza, izay an'eritreritro.
Tsy afaka hitsikera, izay ambaranao.
Angamba efa lava, ny ady izay natao.

Raha ny taza-masoko, tsy hitako ny ambara.
Ny eo am-pelatanako, tsy ahafahako mizara.
Dia sakantsakan-dava, ny iainako eto an-tany.
Angamba ny fiainana, no efa kianjan-jaly!

Angamba koa ny tia, ilavitra ny tiana.
Angamba ny alahelo, efa tsy mahavariana.
Ny fo dia malahelo, angamba manirery.
Ihany koa izay tia, manafosafo anaty jery!
RRAG
03 Febroary 2017
--------
Rohy:
281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017