ANGATR'I.....! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGATR'I.....!
Miselontselona manaloka lava ny lalan-kombana....
Mihelohelo manembana fatratra ny fifaliana.
Miseho ho enjana, tompon-tsy mpihindrana eto an-tanana.
Dia injay fa mamatotra amin-dRafahoriana.

Manara-tsy miato ny dia 'zay aleha,
mitsapa ny ahamafin'ny fanantenana.
Mizahozaho dia tsy sasatra ny mirehareha,
mamatotra hatrany amin'ny fisedrana!

Angatr'itompokolahy Lasa, ka nokendrena nohadinoana!
Miserantserana manaloka ny hoavy hantenaina...
Efa nodorana, noezaha-novonoina,
f'indrisy mitsiry, isa-maraina!
RRAG
23 Aogositra 2021
--------
Rohy:
420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162