ARIARY ZATO TONTA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARIARY ZATO TONTA…
Ny fiainana toa miendrika onja,
miovaova hery hatrany.
Indraindray aza dia mamonja,
sy mandatsaka tomany.

Ny anio ‘zay tiana hohanina,
trosa aloa rahampitso.
Raha tsy izany tsy hinan-kanina,
na hinana ihany fa masiso.

Ny maraina vao mifoha,
indrisy fa, milanja angady no azo atao.
Nefa hahita asa ve moa,
izato izaho sy ianao?

Dia mirenireny eny,
manofinofy ny tsy ho azo.
Indraindray anefa dia mahateny,
hoe: “Tompo ô! Mba omeo na dia mangahazo!”

Ariary zato tonta,
tsy mba misy mety handray,
no hany vola am-paosintsika.
Nefa! Ny hanohanana mahamay.

Manery hanao ny tsy fanao!
Manery haka ny tsy an’ny tena!
Satry aza izao dieny izao,
dia mba hanana harena.

Ka tsy hihafy izay sakafo,
hanim-pitoloha hatrany.
Ho azo hatramin’ny tena lafo,
indrisy anefa, fa nofy izany.

Dia mangataka no hatao,
sao mba hisy hanome.
Lazainy kamo izaho sy ianao,
ny sasany aza mihomehy.

Hany ka, ‘lay ariary zato tonta,
no zary atao haingon-tsatroka.
Mba hahazoana izay miavosa,
saingy ‘ty andro indray no maloka.

Injany fa, nirotsaka ny orana,
hahandro fotsy izany anio.
Satria iza moa izany ny olona,
hamakivaky io orana io?
RRAG
02 Nôvambra 2015
--------
Rohy:
351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167