EKEKO RY TIANA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin-kafatra ho an'ny antsa tononkalon'i RADO na George ANDRIAMANANTENA izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "TIAVIKO MANGINA". Nosoratany ny 23 Mey 2000. Isaorana manokana i RADO! Mandria am-piadanana ry Ray nikolo sy nitaiza! Nanabe ny fanahy!

EKEKO RY TIANA...!
Ekeko tsy ankisalasala, ny hotiavinao mangina.
Eny hoe tsy hisy mpahalala, na izaho ilay tiana.
Saingy ny fihetsikao, mamborak'ahy antsokosoko.
Dia maneho fitiavana ahy, eny ry ilay tsy foiko.

Malala hoy ianao an-tsaina, toa heverinao tsy ho tsapako.
Ny endrikao falifaly, dia mampitombina ny vinako.
Tononinao an-tsaina ekeko, saingy vao mijery ahy ianao.
Dia efa tsapako sy reko, fa tena tia ahy ianao.

Ary ekeko ny fotoana, ao an'eritreritrao.
Saingy ampiako toerana hafa, raha mba tena sitrakao.
Dia ny ato an'eritreritro, sy ny kianjan'ny nofintsika.
Izay ry tiako, hevero hoe mamihina ahy ianao, f'izaho izany mangatsiaka.

Ekeko koa ny orohanao, na dia an'eritreritra aza.
Tiako ny hofihininao, ekeko nofy, tsy mahagaga.
Manaràna fo ianao, fa tsy hisy hanelingelina.
Ka ny an-tratranao anaty nofy, tsy an-tery f'efa telina.

Ity ny valin-kafatrao, efa reko re 'reo antso.
Eny fantatro f'izaho, no niantefan'ny antsoantso.
Na tsy niloa-bava aza, ianao nampita hafatra.
Tsy asiako resabe, fa amiko, tsy misy fiainan-tonga lafatra.

Saingy ao an'eritreritro aho, mety ho an'eritreritrao.
Misy feo milaza hoe: "Tianao aho, tiako ianao".
Koa ho volamena ity fitia, mitoetra an'eritreritsika.
Fitia tsy hisy fiafarany, tsy hifarana tsy ho ritra.
RRAG
25 Martsa 2017
--------
Rohy:
401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251