FA HO AIZA...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny Sabotsy teo, teo Andravoahangy ambony hidina ho any Andravoahangy ambany, lalan'ny "Imprimerie de Madagascar" aho nifanena tamin'izay madama iray izay! Somary nitopy tany aminy ny masoko! Tsy dia ny hatsaràny loatra no nahatonga izany fa ny takosin-dokomenany! Somary nitsiky izy dia niteny tamiko hoe: "Andao isika sy ialahy handeha". Avy dia nitsoaka malaky aho fa hay moa ity izy ka Mpampanofa tena!

FA HO AIZA...?
Maso adaladala, mitopitopy foana!
Mangalatra fijery, fa saingy tazany ihany!
Hay moa ka tena loza, sendra mamba noana!
Ka avy dia handrapaka, izato anao vavy.

Andao isika sy ialahy, handeha hoy izy,
tsy menatra akory , amin'ny andro antoandro.
Ny tena indray no menatra, sady kivikivy,
nitsoaka moramora, sao hidiran'andro!

Ho rovi-pataloha, ho goaka hatrany am-paosy!
Ka avy nitsoriaka, nanao 'zay ilefasana!
Ny tena koa moa 'zany, tsy gitara fa kabaosy,
tsy manana, na dia ariary, entin-kanjifana!
-
Hanjifa aretina sa hanjifa hafokana,
ka hisarikarika, imason'ity madama?
Ho aiza e? Ho an-dalam-pahajambana?
tsy hisala.... hanaraka an-dRamama?
RRAG
23 Aogositra 2021

"Miala tsiny raha mety ianao ilay voatonona fa ainga sendra nanidina ity. Mahalafosa betsaka e!"
--------
Rohy:
412 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164