FAMPITAHA SY FANOHARANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aingam-panahy nasidintsidin’ny zavatra hita teny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina iray eto Antananarivo no nivoahan’ity tononkalo ity. Nisy zaza kambana roalahy teraka ny 18 Oktôbra 2019 teo. Marihana fa valo volana tao an-kibo izy ireo. Na izany aza anefa dia salama tsara! Ny anaran’izy ireo dia fantatra saingy ho fanajana ny hasin’ny zony dia nomena ireo anarana amin’ny lohateny ireo izy roalahy izay kambana tsy mitovy (I….. & D…….)!

FAMPITAHA SY FANOHARANA…
Mitovy tsy sahala, iray fa toa tsy tokana.
Ny aina samihafa, fa ny rà no iombonana.
Ny endri-tsy mitovy, fa saingy iray fonosana.
Ary ny anaranao dia, ho anao manokana!

Fampitaha!
Fitaratra ho heverina, ho singam-pamaritana.
Entina mamaritra, fa nitsikin’ny vintana.
Toky sy hitokian’ ireo izay nipoirana!
Fampitaha ny dingana, raha eny am-pisidinana.

Tsy zandry na hoe zoky, ka hofehezin-dalana.
Fa ‘lay toavim-bava, arahin-kery hananana.
Tsy ilay hilanja vesatra, na koa handaha-teny.
F’ilay manaja tena, mandefitra aman-kery.

Fanoharana!
Mahatsapa ny ho fỳ, fa saingy tsy hiebo.
Tsy lafatra amin-toetra, fa tsy hanaiky ny ho revon’
ny sarisarim-piainana, mamatotra ny maso.
Io ‘lay arofanina, tsy tohitry ny ankaso!

Manaiky izay voafaritra, fa tsy miravi-tanana.
Hitraka na dia lavo, eny am-pandehanana!
Hilefitra fa saingy, tsy hanaiky ny ho tohatra.
Na izany aza, mba manam-po mangoraka!

Fampitaha sy Fanoharana! Iray kanefa roa.
Mifamatotra aman’aina, ary miray fo.
Mety tsy hitovy toetra, fa hiray saina.
Tsy hisy afaka hiteny hoe: “Tsy mamy ilay miaina!”
RRAG
20 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
479 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169