FASAM-PITIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FASAM-PITIA...!
Tomany tsy lefin'ny taona mandalo, fery miraikitra!
Senton'ny fo toa mampijaly, mamela takaitra!
Fasam-pitia mijanona ho tsiaro, tahiry ao anaty!
Ràtra tsy sitran'ireo tamby omaly, efa tsy ho tanty!

Fasam-pitia nandevenana lasa, nofy sy tsiahy!
Setran'ny vintana tamin'ny kasa, zary ahiahy!
Ringi-tomany ny fo tena tia, nazeran-tsafidy!
Latsain'ny nenina tsy mba misy fỳ, mifangaro hidihidy!

Fasam-pitiavana ny fo 'zay misaona, tsy lefim-potoana!
Satry dia satry ny mba hihaona, nefa ho zava-poana!
Mainka aza hanitatra ny ràtra efa misy, mihombo ao am-po!
Tena ho fahavalo tsy mba hitsitsy, handoto ny loha!

Ny fasam-pitia tsy iza tsy akory, fa ny fo tsy mahatanty!
Izy aloha tsy hoe resi-tory, saingy tsy manana ny ampy!
Tsy manana hery entina miady, na handraisam-pitia!
Tsy sahy mihitsy ny hiladilady, asa, sao fihatsarambelatsihy?
RRAG
16 Janoary 2017
--------
Rohy:
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022