FETRA NALAHATRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETRA NALAHATRA...!
Ry Ray ao ambony, toa mafy loatra,
'ty kapoka hadona, ny foko maràtra.
Izaho, mba te hitroatra,
nefa miahy mafy, 'ty dona mihatra.

Ny lanitra manga, tsy namako akory,
fa zavona mainty, no manarona ahy.
Ny ali-mangina, zary tsy hahitan-tory.
Te hivavaka ihany, fa saingy toa tsy sahy!

Matahotra mafy, anao ao ambony,
ka tsy sahy hitalaho, hoe hangataka kely.
Nefa any ilay tiako, ekeko tsy ho tony.
Eo am-baravarana, no miandry irery!

Izaho mantsy aty, voafatotra rojo,
manala ny sazy, amin’ny raha tsy haiko.
Toy ny voajono, tahak'ireo trondro,
migadra amin'ny heloka, tena tsy nataoko.

Ka nahoana kosa, ny fetra no nalahatra,
hanakanana anay, tsy hiara-dia.
Hitako mihitsy, fa toy ny tsela-baratra,
handraràna fo, handrombona fitia.

Dia ny fasana, rindrim-bato efatra,
no hany hamatotra anay, mba hiray fitia.
Fa izaho ato am-ponja, ‘zay zogan'ny lahatra,
fetran'ny hazavana, ilavitra andrỳ.
RRAG
24 Martsa 2017
--------
Rohy:
335 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209