FISAINANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISAINANA…
Tsy ny ditra vitan-dasa, no hitsaràna hadalana!
Tsy ny ràtra nentin’ny hafa, no hitondrana fandatsana!
Tsy ny fo mirako-pery, no hisaonana aman-taona!
Tsy ‘zay nofinofy kely, no andaniana fotoana!

Fa ny fisainana mihitsy, no mbola mila fiovana!
Ny toetra nentin’ny ela, tao anaty fahazazana!
Mila pejy vaovao, manaraka ny fanovana!
Saingy mila fetra koa, sao hitondra hadalana!

Tsy ny ratsy efa vita, no hanakana ny fo!
Tsy ny heloka tsy hita, no hoe tsy hanaovan-tsoa!
Tsy ny toky tsy tanteraka, no hanakanana ny vava!
Aza avela raha tsy reraka, ny taloha koa mba rava!

Fa ny fisainana mahatsapa, dia efa vesatra amin’ny lanja!
Ny fisainana hafahafa, no mbola mahabangabanga!
Mila tampina kanefa, mila arahana finoana!
Ka raha tianao hiantefa, dia hampitonio ny fo misaona!

Ny fisainana tsy hoe: “Ratsy foana toy ny lasa”!
Tsy ho voatery ihany koa: “Tsara noho ny kinasa”!
Fa miankina amin’ny fo, raha mahay mibaiko ny aty!
Dia ho fisainana madio, no mihiboka ao anaty!
RRAG
11 Janoary 2013
--------
Rohy:
313 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223