HAMBO SY DI-DOHA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMBO SY DI-DOHA!
Mba nafafiko ihany, ilay vonin’ny fitia, nitoetra tao anatiko.
Kinanjo nofy ihany, fa toa tsy mba naniry!
Ny afony anefa, nandoro mafy ahy, ka hila tsy ho tantiko.
Saingy toa tsy nety, tsy nety mba nitsiry!

Notondrahako ihany ny zaridain’ny foko, mba tsy hintsam-bony.
Kanefa tara loatra, fa tsy nisy iray namony.
Tamin’irony raozy novoleko teny! Nantenaiko hitondra soa,
kanjo izy ireo niady nifamono, ka tsy nitsiry akory, fa maty avokoa;

Samy te hanjaka hihazona ny foko, saingy tsy nandinika,
fa vao mainka aza, nanapaka ny tady, faka hifamatorana,
ny adin’izy ireo! Ka mety hahatonga ahy, hanosika sy hanilika,
azy an-jaridaina, sy mety ho tonga hatramin’ny teti-pisorohana.

Eh! Toa nararako ihany ‘lay zezi-paniriako, hanatsara zaridaina.
Saingy ny raozy mihitsy, no nandà ireny, angamba tsy ilaina!
Dia potiky ny hambo, sy ravan’ny di-doha!
Dia ankehitriny, maràtra koa ny fo!
RRAG
11 Martsa 2013
--------
Rohy:
309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218