HANITRY NY VERO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANITRY NY VERO…
Miavaka sy tokana, ny haingon’ny natiora.
Ny hazavan’ny volana, no mahavelon-kira.
Ny endriky ny kintana, no mampiray fitia.
Ny tsikin’itsy vintana, no nahatonga hiara-dia.

Ny hanitra mandrakotra, ny fo mitia mangina,
no vero tsara tsiry, anaty faniriana.
Manosika ny fo, hizara fifaliana,
amin’ny hanitry ny vero, fanolotra ny tiana.

Ny hanitry ny vero, dia seho natoraly,
famafa ireo taraina, anaty fo mijaly.
Famatotr’ireo toky, vita tamin’ny vava!
Fitahiry am-boky, ny hakantom-pahazaza.

Ny hanitry ny vero, dia siokam-boromanga.
Fanantenana ela, re manangasanga.
Manatona ny fo, ilay diso fanantena.
Mizara ireo soa, tanaty fahendrena!

Ny hanitry ny vero, fanalahidin-tsento.
Famafa ny tomany, fandefy iretsy vetso.
Famboraka fitia, fizara alahelo.
Hafa ihany lahy, ny hanitry ny vero!
RRAG
11 Janoary 2013
--------
Rohy:
217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174