HEVERO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HEVERO…
Hevero kely ange hoe!
Ireo noharianao hatramin’ny anio,
zary lasa fongana sy ringana ho tadio,
indray nipimaso dia foana avokoa,
sina ny efi-trano, lasany ny akoho!

Ny lovia noheverina, ho sisa tsy ho lasany,
toa tsy namelany, na dia hoe atsasany,
lasany avokoa, hatramin’ny tahiry,
nefa mafy izany, nihary sy nikiry.

Hevero kely anie hoe!
Ianao ‘zao manantena, ny hampiaka-bady,
dia noho ny fahoriana, dia foanana sahady,
vinaniana ho hahemotra, mba hampitoniana,
nefa izany koa dia, mbola vinavina!

Fa ny anio tsy anao, ny ampitso tsy azy,
ny lanitra no afaka, mamaritra ‘zay ady,
sy sedra tiany ho hatrehana, anio sy ampitso,
nefa misy lasa, tahiry miahy masiso!
Toa mbola miaritra ao….
saingy tsy misy, azonao atao!

Hevero kely izany hoe!
Mikiry tsy mahazo, dia maka ny tsy an’ny tena,
manao hala-botry, mangalatra eny an-tsena,
izay vao misy ho arapaka, sy hohanina isan’andro,
saingy rehefa traingo dia, takona ny masoandro,
zary lasa nenina…
nefa ny lanitra, mody be marenina!

Sanatriavo anefa izany hoe!
Ilaozan’Andriamanitra, tsy ho henoiny akory,
fa izy niala-sasatra, ka mbola resi-tory,
k’izay hogahoganao, tsy re ny lanitra avo,
ny herotra zary kotroka, no indray aza lavo,
hitrena an-tsofinao…
dia aiza moa izany, no afaka hitalaho?
RRAG
20 Oktôbra 2018
--------
Rohy:
812 1
Mpakafy: TRRV
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021