HOY IANAO TAMINY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY IANAO TAMINY...!
Marary aho ry tiana, toa resy sahady.
Midoboka mafy, ny foko ato anaty.
Rava ireo vina, noho ‘reo adiady.
Ny fitiavana mihitsy, no toa efa maty!

Izy amin'izany, toa alim-pody.
Isan'andro mamolava, sy mamono vady.
Efa lehilahy, tsy mataho-tody.
Raha sendra tsy mamo, dia mamorona ady.

Misento mangina, ny fo malahelo.
Mba nanantena, ny fiovànao.
Injany tsy miato, fa miahy mihelohelo.
Izato nofy, nofin-talaho!

Indro tenikely natsipiny anao.
Raha fandeferana, toa manam-petra.
Ny azy ny fony, efa leo nitalaho.
Ka ho hafoiny anao, ny lasa rehetra.

Mihovitrakely ny vavany hiteny.
Saingy efa vonona, ka niloa-peo.
Efa maty am-pony, ireny lasa ireny.
Ka handeha hoy ity izy, ny lalanao jereo.

Veloma tsy satry, fa saingy ho atao.
Lasa ny tenany, tsy ho eo intsony.
Lasa re izy e! Ka eo ny tranonao.
Hovoleny any an-kafa, 'lay raozin'ny fony.
RRAG
21 Martsa 2017
--------
Rohy:
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206