IANAO ‘LAY SAHY NANDAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO ‘LAY SAHY NANDAO…
Natsipin’ny eritreritro handeha hisento koa,
ny foko tena tia, efa babonao!
Ny saiko tsy mitony kanefa ahoana moa,
no ahafahako misakana ity ianao handao?

Ranomaso tokana, nalatsaky ny tavako,
no injay toa nanamando ny endri-tsikitsikiko!
Sentosentom-poko, izay toa nahatorovana,
no naningotra tsy niera, ny zon’ny fahafahana!

Ianao ‘lay sahy nandao, tsy niveloma akory,
no avy dia nitsaika, niala moramora!
Tsy nanaitra ahy, ilay mbola resi-tory,
naningotra aina mafy, ka avy nanasola!
Nandrangotra ny foko, nanindrona ny atiko.
Nampihombo ny tolokoko, izay napetrakao!

Injay ‘ty ranomasoko, milatsaka tsy miato,
tinerin’ny mangidy, vontoson’ny ankaso!
Midoboka tsy miera, ny foko te hitroatra,
ianao ‘lay sahy nandao no vorona nifaoka,
ny atin’ity foko, diso resinao!
Injany tsy mijanona, ny ferin’ny talaho!
RRAG
19 Martsa 2020
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198