ILAY SARISARY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SARISARY…!
Ay tokoa moa izany ny fitia toy ny anana!
Mora hafindra dia mora hananana.
Mora malazo dia mora mamony.
Ny ràtran’ny sasany aza toa mora mitony.

Ny fitia hoy ianao toy ny ranomandry.
Indraindray tafafoha dia indraindray tafandry.
Imbetika koa dia hita mitsonika.
Samy hafa ny ataon’ny fo sy lazain’ny molotra.

Sarisary tokoa ve ny fitia ao anaty,
ka rivo-baovao no mamono azy ho faty?
Toa tsy mahazaka akory ny sedra mandalo,
dia mainka hifindra ka mora hatakalo.

Ny toky amin’izany dia mipatrapatraka,
toy irony kabary efa toa tsara masaka,
vita tsianjery hatramin’ny faingo.
Ny fitiavana tokoa toa tena baraingo.

Ao anaty fitia aloha misy mijaly.
Tsy lavina koa fa mba misy mifaly.
Moa sarisary tokoa ve izany ny fitia?
Tomefy hafetsena sy fihatsarambelatsihy?
RRAG
10 Mey 2018
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205