ILAY TSISY MBA NIJERY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TSISY MBA NIJERY...
Nakapoky ny feriny hianjera an-dava maimbo,
ny fony nanantena hitsabo irony lasany.
Ravina nihintsana fa maina hatramin’ny laingo,
no tsiaro mba napetraky ny hifirin-dratrany.

Fasana no akaniny hitoeran'ity nofony,
mihintsana sy lo fa resin’ny adim-piainana.
Mangidy dia mangidy ny langon-drotsirotsiny,
miketoka hirifiry ombam-panaintainana.

Nahantony ny tenany hamoy ny sedran-tany,
‘zay rofiny hatry ny ela natory tao an-tratrany.
Tsy re intsony ny ainy, tsy re hoe nitomany,
f’ilay tsisy mba nijery no nandevina ny lasany.

Ilay tsisy mba nijery no lavonao tanteraka,
nofinganim-bintana sy lahatra voafaritra.
Ny fony no voaratra ka dia nivalaketraka,
nisento am-panembonana ‘ty fery efa tsy ho aritra!
RRAG
15 Jona 2020
--------
Rohy:
374 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171