IZAHO MOA NO IZA? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO MOA NO IZA?
Tany voavola aho dia nasian'aina,
notohofam-panahy hiavaka amin'ny voary!
Notoloram-po aho dia nomena saina!
Hitovy tsy hisy valaka aminao 'lay Nahary!

Izaho anefa no iza no tsy hihaino anao?
Rehefa solafaka vao mahay mankany!
Lasa fahazarako hatramin'izao,
'lay miantso anao raha sendra tomany!

Tsy tadidiko akory ny lala-mankany,
rehefa ilavitra ahy ny ola-misedra!
Kanefa ry Ray mba akaniko ihany,
sady koa toa hoe: "Efa nanomananao seza"!

Tsy narianao aho na dia nanao bontolo,
tsy nihaino 'reo antso natefanao!
Efa may, may ry Tompo, ny amiko manontolo,
vao indrao indray fa manatona anao!

Afo milela, mireda tsy miato,
no mandoro ny aty fanahiko very!
Nahatsiaro anao aho izao tato ho ato,
angamba tokoa satria hoe voatery!

Na izany aza Tompo tsy nolavinao,
fa noraisinao handroso avy hatrany!
Tsy misy tsy mahafoy mihoatra anao,
na dia 'reo niteraka nahatonga tan-tany!

Ka mendrika loatra tolorana haja,
ankasitrahina ny anaranao!
Aoka anefa tsy ho hany am-bava,
no entiko manolotra izao dera izao!

Fa tokoa ry Ray mba ho endri-pihovana,
tarafin'ny vita sy izay mbola ho atao!
Ianao anefa no afaka hahalala,
satria izaho no iza, no hohenoin-talaho?
Tokoa moa izaho, isan-janakao!
RRAG
21 Jolay 2021
--------
Rohy:
307 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182