IZAY IANAO VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY IANAO VE?
Sanatria manambany fa 'zay aloha no tazana,
hoe ianao manenjika, votsa famindra!
Ka ny fanaratsiana no indro mibahana,
fa raha teti-piady tsy manam-boarindra!

Aza tsiny aminao ry 'lay mpankahala,
hiroso ihany aho na hinianao finganina!
Ho fahadisoako ve ny hoe hanadala,
anao mpitakoritsoka amin-java-tsy marina?

Kilaometatra maro no vitako anefa
ianao toa tsy nihetsika na indray mamindra!
Fankahalana ahy tsotra izao no tiana hatefa,
manofy tsy mihetsika dia ho afaka hifindra a?

Izay ianao ve?
Diplaoma no am-paosy, fa votsa ny saina,
tsy afa-mandinika ilavitra akory!
Na ny manahoana aza, hany fahaiza-miaina,
kely sy bitika tsy hainao akory!

Izay ianao ve?
Ny fitafy mijijy sy lafa-jerena,
manintona maso sy tsara ivelany!
Fa ny tsikoko manamaimbo ny tena,
na an-drenirano aza, toa ferany
ihany ny loto ho voasasa,
ka ho isan'ny hamikitra eny ny lasa!

Izay ianao ve? Fahavalo mahazatra,
fantatro loatra vao mieza-mihetsika!
Hitoraka, handefona tsy akory handràtra,
mpamosavy tsy nahandry masoandro nilentika!

Izay ianao ve?
Eh! Aleo ho ahy irery 'zay tiako ho ambara!
Fa fotsiny hoe:
"Ny hoavy no 'ndeha atao mpitsara!
Ka hamaritra ny tena ho ivon-tantara...
Satria na izaho aza mbola tsy mahalala
na teboka, na tsoraka, no ho eny am-para!
RRAG
21 Aogositra 2021
--------
Rohy:
502 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206