MANGIDY MATSATSO MANGEROKA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGIDY MATSATSO MANGEROKA...
Mangidy akia malala, ny saraka amin-tiana a!
Ny maso bongon-drano, sy resin-tory mafy!
Nisinda dia nanjavona, ny hiakam-pafaliana!
Hay ve ka ny fitiavana, koa mba mety maty?

Mangidy izany irery, kanefa tsy nahazatra!
Ny sento tsy niato, nikiky ny tanaty!
Ny hitsiky toa maneso, ny fo rakofan-dràtra!
Saingy mafy loatra, 'ty sedra ka tsy tanty.

Matsatso akia ry lala a! 'Lay ilaozan'olon-tiana!
Kanefa tsy ady akory, no nisy nifandirana.
Dia indro alo-maizina, manentom-pahoriana,
no lapa voatendry, voalahatra idirana!

Matsatso loatra izany, irery tsy mahasaraka!
Fotsiny ny vetso, no sisa afa-miazona!
Isika tokoa ve moa, tsy natao hiaraka,
no dia hatramin'ny tsiky, no zary ho avonavona?

Mangeroka ny fiainana, tsy misy anao tiavina!
Toa horohoro avy, ny taza-manodidina!
Nahoana ny hifamerina, akia no dia nolavina?
Kanefa raha irery, tokan'ela-tsy mahasidina!

Mangeroka tokoa, ny fisaraham-belona!
Raha toa tsy nisy antony, mavesatra tsy zaka!
Fa ny fitia koa ve moa, amin'ny olombelona,
toy ny fiainana ihany, isan-dakalaka?
RRAG
29 Oktôbra 2021
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177