MARAIM-BAOVAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAIM-BAOVAO...!
Hafa ihany ilay maraina, na mafy aza ny ady omaly.
Ilavitra ahy ny taraina, ny tavako aza toa mba faly.
Ny enti-miady aina vao, ainga sy teti-pahavononana.
Ka vononà izato ianao, sahia miady ho an'ny ankohonana.

Maraim-baovao mitondra taratra, mitinaratra ny fiainana.
Maraina toa ilavi-baratra, nanovàna ny fisainana.
Manazava ireo tolona, sy ireo sedra hodikaina.
Ilay nanenjehan'olona, ka nivadika ho taraina.

Maraim-bao manala tehina, nitondra fahafahan-tena.
Maraim-baovao nisosàn'ny penina, mba ho hikam-pandresena.
Nandroso hevitra vaovao, fa hiatrika ady hono ianao.
Nalavirin'ny talaho, hafa ihany, ilay maraim-baovao.
Indrindra moa fa eo ianao! Dia miavaka ity maraim-baovao!
RRAG
25 Martsa 2017
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203