NISY TSIKINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY TSIKINAO…
Nisy tsikinao tsaroako, niserantserana nanaloka,
ny eritreritry ny foko, ka nahatonga azy ho maloka,
hampitamberina ny lasany, ilay nilom-pery iny!
Hamoha indray irony kasany, izay nilanjany tsiny.

Nisy tsikinao nanery, ny saiko tsy mba hanadino.
Ka ny foko no voatery, handrehitra ilay fanilon’
ny fitiavana ao anatiko, izay lasa nitsilopy.
Ny lavitra anao tsy tantiko, ka eo aho omeo toky!

Nisy tsikinao niantoraka, tamin’ny foko tena tia.
Tsy fitia niangoraka, fa tena vonona hiara-dia.
Zary tsiky iray tsy foiko, mivezivezy an’eritreritro!
Ianao no andry hany tokiko, tsy nandiso ny fiheverako!
Fa tia ahy ianao, nasehon’ireto tsikinao!
RRAG
Febroary 2019
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185