NY ALINA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALINA!
Tsy andriko ny hifohazan’ny maraim-bao,
raha vao madiva ny alina!
Satriko foana ny hahita anao,
na dia ny mamaton’alina!
Fa ny hanitrao tsy foiko,
manaraka ny orona, sy ny tanako nisafo.
‘Lay endri-tavanao mamin’ity foko,
toa reko hoe, ilavitra ahy ny ankaso.
Raha sendra eo ianao, ‘lay tokana tsy foiko,
voninkazo tokam-poko, sady tokan-doko.

Tsy foiko ilay maraina vao mihiratra ny masoko.
Satriko ny andro, haraina eny foana,
ka hanalavitra ahy ‘zay mety ho ankasoko.
Noteren’ny aina, sy notinerin-taona,
holanjain’ny foko, eo anoloan-tiana.
‘lay niandrandra tamiko, fahasambaram-po.
Saingy ny azy sy ny ahy, dia nofim-paniriana,
ka tsy mba hitondra, sy hizara zava-tsoa.

Tsy tantiko hitazana, anao an-tratran’olona,
resin-tsafosafo, sy tambitambin-teny.
Ny masoko tsy te hijery, ny foko koa tsy vonona,
toa tsy mba ho zakako, izany hoe irery.
Ka tsy tiako ny alina, fa mampifanalavitra,
ny akanintsika, ‘zay ratsiratsy fototra.
Tsy tiako ny handaozan’ilay maraina vao,
‘lay ranon-doharano, nitondra irony sompitra.
Fa aleoko indray aza, ny hadalako no hifototra,
amiko ihany anefa, fa tsy hahazo anao!
RRAG
10 Martsa 2013
--------
Rohy:
436 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208