NY TOKY FITAKA... - RRAG
Azo vakiana?
NY TOKY FITAKA...
Ny vavany tsy niato ny nampanantena,
ho hatolony aby hatramin'ny kintana.
Hay moa ka resa-natao nandefena,
fasi-tamoron-drano ka efa niparitaka!
Milahatra tokoa ny teny naloakany,
fampanantenana miendrika adrisa.
Iza moa izany no hilanja ny vokany?
Iza tokoa moa raha tsy ho mbola isika!
Homeny ny volana mbamin'ny tsy takany,
hisolo ny toerany raha toa sendra lavitra...
Tsy azy akory ireo, ary dia tena fantany,
fa ny tanjon-kinendriny dia ny hamahan-dalitra.
Ny toky fitaka, fa tazana eny amin'ny zavatr'atao...
Ny atao no hita, ka afa-kitsarana ahy sy ianao!
Ny toky fitaka, fa ny atao no hita,
tsy 'zay rehetra teneniny, akory no adrisa...
Fa 'lay tsy mitombina, tsy amin-daozika...
Hinoako fa takatry ny saintsika...!
RRAG
27 Oktôbra 2021
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 28/10/2021
Mpamangy : 312
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IZANY VADY IZANY…EO...! (19 Janoary 2022)
IZAHO...! (25 Febroary 2022)
KOA RAHA TSY MITAPY…
INDRISY...! (18 Aprily 2022)
INDRAY NITETE...
TSIARO TIANA...
NIANATRA NITIA...
NISARAKA HONO…!
"LOVE" AKIA NY FO A!