PEJY IRAY VOATOKANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolotra fitia manokana ho an’ilay Malalako (RABEMANANTSOA Anah Fisainana) amin’izao fotoam-pankalazana ny fetin’ny mpifankatia izao.

PEJY IRAY VOATOKANA…
Malala a! Tomefy ato am-poko,
fitia tsy tambo isaina…
Anao ilay fitiavana, tokana tsy foiko,
tsy sombiny fa aina!

Pejy iray voatokana, voasoritry ny anjara,
ny fifamatorantsika…
Tontolo tsy voafetran’ny ivon’ny tantara,
sy vinavina tsy hita!

Malala a! Tiako ianao ka tiako,
safidy sady anjara…
Tinendry ho felam-poko,
sinaingy tiako ambara,

fa tsy nisy ianao, moa hisy aho?
Nofy tsy hanam-pitoniana!
Pejy iray voatokana, ho ahy anefa ianao,
ilay diamondra rako-tsiky, an-kianjam-pifaliana…
RRAG
14 Febroary 2020
--------
Rohy:
359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213