POETA NY FIAINANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA NY FIAINANA...
'Ndry toa taitra torimaso misasak'alina e!
Dia manakorisa penina handrafitra an-ditera
ny tsapan'ny fanahy am-paralalin
‘ny fihodinkodin-dera!

Iza indray izany no 'ndeha hotantaraina,
laizana fa voadonan'ny fifofofofon'ny fitiavana?
Iza ilay sakaiza ambara ho very saina,
torovanan-tsento lalina fa hoe namoy havana?

Aia ilay tanàna hifamahoan'ny sedra
mbamin'ny hafalian-tsy takatra ho takarina?
Oviana izany ny ora, hitsaikan-tsegaondra
hanombohan'ity tantara marina?

Dia handeha ny tany ho any,
ny tetsy sy teroa,
ny tsiky sy tomany
mbamin-dràtram-po,
miary irony sento
sy tsiky an'endri-tava!
Ho voatantara eto
hatramin'ny fahazaza!

Fa Poeta ny fiainana na tsisy rafi-teny
hanoritra ny tazana, handrafitra 'zay hita!
Ny fiainana Poeta e! 'Lay miezaka ombeny,
maneho an-tsarin-tsaina, ny hafa-tiany hampita.

Fa moa, Poeta koa ianao,
mpanoritra isan'andro ny endri-draorao,
hadonan-daha-boasoritra?
Sinaingy zary vetso, fiventin'itsy molotra!

Poeta ho'aho ny fiainana,
mampisy ny tsy misy dia mamafa izay mipetraka.
Poetam-pitarainana,
an'ainga tsy ho tinakatra, fotsiny, mahavalaketraka!
RRAG
19 Aogositra 2021
--------
Rohy:
450 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203