RY TAONA HOAVY IRY… ! (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY TAONA HOAVY IRY… !
Etsy kely ange e! Ry taona hoavy iry…!
Ny fahorian’ny fony mba, soloy indray fitia,
ny alahelo an-tsainy, indaosy fifaliana,
ny fahavalom-piainany, ataovy olon-tiana.

Irony mpankahala e! Ataovy tsy mahafoy,
irony mpanadala, mba adalao alohany!
Ka mba ianao ry taona no, famafa ranomaso,
dia ho ianao koa no, handevona ny ankaso!

Ry taona hoavy iry…! Ny ràtrany sitrano,
koa aoka tsy ny feriny, no ahitany angano.
Ny sedra nosedrainy, mba alefaho na kely,
ny dingana ho alehany, eo mba asio jery!

Aoka moa raha mety e! Ho lasan’ity taona,
irony haratsiana, nahatonga fo nisaona,
aoka tsy ho tadidy, handràtra indray ny fony,
irony fahatsiarovana, mibosesika tsy tony!

Ry taona hoavy iry…! Tolory tsiky aloha.
Tarafo hazavana, hitony koa ny fo,
ka ny ratsy sy ny saona, ho lasan’ity taona,
ry taona hoavy iry…! Dia any indray mihaona e!
RRAG
27 Desambra 2018
--------
Rohy:
981 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1159