TANORA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro tononkalo iray zary faneva sy filamatra nentiko nitantanana ny fikambanana (Club UNESCO-FTMM Moramanga).

TANORA…
Tanora mifampitaiza, sy mieza-mifanoro.
Mivondrona iray, mba hifanolokolo!
Miray, mihavana, sady mifanaja.
Ny zony ihany koa dia, harena manan-danja!

Firosoana, firaisankina, foto-pandresena,
etsy asandrato, ny hasim-pirenena!
Mifanolora hery, mifanomeza tanana,
fa tontolo vaovao, no iarahana manangana!

Hajao irony sata, fitsipika najoro.
Hajao toy ny maso, sy toy ny didy folo.
Io no lalam-pivoarana, raha vonona ny handroso.
Fa tsy ny fiandaniana, ‘zay nampitsitokotoko!

Beazo iretsy Gasy, sy ireo tanora mila izany,
hahafahany mandinika, ny hoavin’ito tany.
Tolory tanana, omeo teny izay malefaka.
Araho tambitamby, asio tsiky dia tsy ho vesatra.

Fa ho mafy ny finoany, izay ahafahany mitraka.
Ary ho tanteraka ireo nofiny, dia ny ho tompon-daka.
Ka hibata fandresena, hisalotra medaly.
Medaly volamena, amboara eran-tany!
RRAG
31 Janoary 2010
--------
Rohy:
437 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201