TEBOKA MAMARANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEBOKA MAMARANA…
Atopazo ilavidavitry ny takatry ny maso,
ny fijinerinao ny hoavy!
Hinoy fa tsy hahery ny kapoky ny ankaso,
‘lay te hanapa-tady!

Fa tsy handaitra akory ny ozona nazeran’
irony mpankahala!
Ary hamingan’azy irony deraderan’
ny maso adaladala!

Etsy moa anie e! Etsy aho henoy,
hivolana fitiavana!
Nofy tsy mety to, kinasa tsy mba foy,
‘lay hifamato-pihavanana!

Kinanjo teboka mamarana ny lasa nofafana,
ny dingam-bao soritina!
Nisintona ny hatsiaka handrakotra hafanana,
ny fo kizitinjitina!

Teboka mamarana ny nofinofin-tsaina,
ny fo ‘zay samy tia!
Indrisy anefa fa, resin’ny taraina,
hatrany ny fitia!
RRAG
17 Febroary 2020
--------
Rohy:
419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169