TENY IRAY FOTSINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY IRAY FOTSINY...
Mandravaravan'ny efa ny setran'alahelo
mifikitra tsy miala anaty velon-tsento...
Injany fa miahy mafy, ny rivo-mihelohelon’
ny nisy sy tsy vita ka zary kalom-betso!

Mihiaka ny fanahy, mitroatra mafy hiady!
Kanefa raha ny fo dia nilavo ho resy sahady!

Manoto an-tandro-mongo, ny lasa sy ny etsetrany,
fa teo ny mamy nisy, mangidy voatelina!
Oviana anefa ireny, vao mety hisy fetrany,
sa rehefa tsisy intsony, ny iavahan'ny velona?

Teny toka-monja anefa dia mamafa
ny sento sy ny embona, notahirizin-dasa!

Litera atambatambatra ho teny iray fotsiny,
dia mampitony saina, an'ora maromaro...
Teny feno angola, miary irony rotsiny,
no nifandrimbon-ko ainga, nandrafi-tononkalo...

Fa teo ny nisantarana, ny safon'ny aingam-penina...
Nanombo-namafàna, ny soritry ny nenina!
RRAG
03 Oktôbra 2021
--------
Rohy:
464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169