TOA HOE EFA SAMBATRA IZY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOA HOE EFA SAMBATRA IZY...!
Irony sento tsy natsahatry
ny adiady maro vita,
ireny ranomaso raraky
ny alahelo tsy voatanisa,
no famari-pijaliana
nilomanosam-pony tia,
zary lasa fifaliana
akany honenan'ny fitia!

Iretsy raozy nihintsan-dravina
sendra felam-bony maina,
irony sedra nahatsiravina
nandratram-pony vao maraina,
izay nilona ho fahoriana,
nitoetra tao anaty,
no injay nandrombina ho tiana,
nitsiry indray fa toa tsy maty...

Toa hoe: "Efa sambatra izy"!
Efa manana fiankinana!
Efa manana mpiadidy,
tojo andry ho fanambinana!

Efa sambatra izy
ka voafafany ny lasany!
Tena sambatra izy
ka, ny mombanao aza efa voafafany!
RRAG
07 Jolay 2021
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231