TODY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TODY…
Na dia mafy aza ny onja, ka mahafindra ranomasina.
Na ho hahidy am-ponja, sy hovonoina tsy hisy hasina
Ny mpitolonao ry taniko, dia hitolona eny foana aho.
Fa ny tsy fantany, dia ny tomaniko, dia mety hanafaka anao!

Na haizin-dava aza ny iainana, na oran-dranomaso lava
Ràtram-balam-pitarainana, araham-pahavakisam-bava.
Dia hitolona aho, hanafahako anao, ry hany fireneko
Efa vonona aho, handefy ny talaho, niorenam-pahalemeko.

Tsy maintsy tody aho anefa, na sakan’inona hibahana
Hiroso aho tsy hilefa, na dia hasiana fanakanana.
Fa ny tanjoko dia tokana, ny fahafahan’i Gasikara!
Fa ny tanjoko dia tokana, ny mba hananany tantara!

Na latsa-drà mifono eso, hitsakitsaka sy ompa
Ranomaso miary sento, fandarohana ny osa
No tsy maintsy hozakaiko, dia hereziko ny ho vita.
Ka tsy maintsy tody aho, ny fireneko koa tafita!
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179