TSY HISAVA… - RRAG
Azo vakiana?
Ity tononkalo ity dia nosoratako teo anivon-tsento lalina tsy takatry ny eritreritra ho takarina raha iny aho nahare fa lavon’ny fiainana ilay raibenay rahalahin’ny dadabenay avy amin’ny reniko. Mandria am-piadanana Dadabe malalanay
TSY HISAVA…
“Tsy misy aloka tsy hisava,
tsy hisy haizina tsy hazava.
Tsisy bongo tsy hietry,
tsy hisy hisaona ka hifety.
Saingy mbola hiova loko,
irony raho-mitsitoko!
Mbola hody ho fifaliana,
ny gogogogom-pahoriana!
Tsy misy rahona tsy hisava,
tsy hisy andro ka tsy hazava.
Tsy hisy sento ka tsy ho foana,
raha mbola hisy koa fotoana.
Saingy mbola hody eo,
ilay masoandro aninkeo,
mbola hiverina hitaratra,
handimby izato kotro-baratra!”
RRAG
31 Mey 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 28/07/2020
Mpamangy : 128
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DIA HOE…RAHA AVELANAO…
ANTSA TSISY FETRA…
TSY LAVINA… KANEFA…
TOKOA MOA IZANY…
DIS-TU?
MENOMENON-TSAINA…
TAFITA NY AINA…
RAHA TSY MANDRAVA…
TODY…