TSY LAVINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY LAVINA…
Tsy laviko ry aina, fa manam-petra ianao.
Ianao koa ry saina, mbola be lalao!
Tsy laviko fa hoe, mitsiry ny fitiavako.
Mba saino kely ange e! Hoe: “Ianao no ilay malalako”!

Tsy laviko ny fetra, nosoritim-piainana.
Tsy laviko avokoa, ny foto-pitarainana,
raha sendra olon-tiana, nefa toa tsy tia.
Ireo mba vinavina, tsy hisy! Eny! Sanatria!

Tsy lavina fa hoe, ny fo mba mety adala.
Saingy moa, ny miantso anao malala,
dia isam-pahadisoana, tsy maintsy hozakainy?
Nefa tsy hitanao, fa ianao mihitsy! No foto-dràtran’ny ainy!

Tsy lavina fa hoe, ny fanantenana mety nofy ihany.
Nefa koa hinoana, fa tena misy izany.
Tena misy fo, tia tsy mila tambiny.
Misy koa ny tiana, tsy mitady ambinambiny!
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207