VOAMBAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOAMBAKA…
Mitia dia hoe milefitra,
itsahina sotaina dia mbola indrao mandefitra!
Vy ve ka tsy haheno marary izato fo?
Sa kosa raha tsy izany dia, tsy be mokondoha?

Namana dia hanaiky tsisy fetra,
ireo karazam-panambaniana, miary ireo soketa!
Hilefitra amin’ny setra hiniana hatota.
Fa moa, hananan’iza trosa?

Kitoatoa voarafitra ny fetam-po milalotra!
Misy sina gina ringana dia tapitra!
Tsy tinaka-maso ny nofy sasak'alina!
Fo misanta-piainana, saingy toa tsy malina!

Tsy malina fa dia maika.
Sedraina, setraina, mbola tsy miraika!
Noharatsiana mafy, nopotehan-tsy hitraka.
Nolangaina, nolatsaina… Natao ‘zay naha-voambaka!
RRAG
31 Aogositra 2021
--------
Rohy:
388 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198