ZO...! ZO...? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZO...! ZO...?
Ialahy 'nge milaza fa mitaky zo e!
Kanefa mandrava sy mivatravatra!
Fa aiza ny antsika no miasa ny loha,
raha ny mitovy hatrany no tolo-mahazatra?

Hoe: "Omeo izao, ento zaria".
Takiana daholo 'zay takatry ny saina!
Mitaky ny zo sa miady fitia,
no dia mampifila rehefa ilaina?

Ny zo fitaky fa hajao ny an'ny hafa,
mba mora hanajana ny adinareo!
Tarafo hatrany ny vokatra lasa,
asio bango tokana aloha ny hatreo!

Fa iza tokoa no afa-mitsara,
ny ezaka vita sy ny asanareo?
Raha tsy izay migoka ny mety hatsara...
na ny kitohatoha mety ho vitanareo.

Mila mifandanja ny zava- takiana,
mila lanjaina amin'ny zo 'zay ilaina!
Fa tsy atao bodongerona rehefa tiana,
ka dia tinerena sintonina alaina!

Ny zo tsy am-bava fa mitaky andraikitra,
mila finiavana hanajana azy ireo!
Sao azo eo io, vao injay zary kaikitra,
hanapaka tady ny tolonareo!

Ka hizarazara satria tsy mitovy,
ny tanjon-kinasa tiana hiseho!
Saingy rehefa miady dia 'ty no tsarovy,
fa tsy ho azo daholo 'zay kasainareo!
Mety tsy hisy aza akory ny ho azonareo!
RRAG
11 Aprily 2021
--------
Rohy:
299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199