Aloka (Ryana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALOKA

Izaho angaha no adala, mandreraka ny saiko,
Aloka miserana ka hita ho antenaina...
Izaho no tonantonana, mamizana ny aiko,
Vorona mandalo ka hita ho andrandraina!

Izaho no reraky ny ankaso sy tomany,
Sendra izato lalany indray andro izay,
Tsy nila fandalinana fa dia tia avy hatrany,
Hay moa aloka izy : miserana dia izay!

Mbola minia mikimpy, miandry, manantena,
Tsy mba mety sasatra, isan'andro vaky,
Mitazana, manafatra, miangavy sesehena,
Ny alahelo azo... mila tsy ho tanty!

Mba miezaka ihany mampionona ity fo,
Satria fantatro mazava f'izy iny tsy ho ahy...
Nefa izay tia tokoa adala, atao ahoana moa,
Dia zary varimbariny, verivery fanahy...

Ny fotoana no antenaiko hitondra fanasitranana,
Hampionona ny foko, hanazava indray ny saiko;
Fa raha ny anio aloha... mafaitra sy manganana,
Tompo ô, vonjeo! latsaka lalina ity aiko!

Ryana
(25/07/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
2948 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109