MAMPITRAKA AHY IANAO ("You raise me up") (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMPITRAKA AHY IANAO

Rehefa trotraka ny tenako, ny fanahy madisadisa;
Olona maro tsy voafehiko, ny foko mavesatry ny kisa;
Dia aleoko aloha mimaona, miandry anaty fahanginako,
Mandra-pihavinao etoana, hitoetra vetivety anilako…

Mampitraka ahy ianao, k’izaho hijoro, tsy hiraika,
Mampitraka ahy ianao, hitety onja be tsy laitra,
Mahery sy matanjaka aho rehefa eo an-tratranao,
Miha-kanto, toa fanamperana aho rehefa mitraka… areninao!

Ryana
22/06/08
(Nadika avy tamin’ny “ You raise me up”, Josh Groban)
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fanantenana
3622 0
Hevitra mandeha
Sohitika ( 24/06/2008 10:13)
Tiako be io hira io, mahafinaritra ny aingam-panahinao.Misaotra.
Ryana ( 25/06/2008 06:49)
Izaho koa mankafy io hira io ry Sohitika. Misaotra anao nitsidika!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125