NANJARY NEKEKO - Ryana
Azo vakiana?
NANJARY NEKEKO
Taminao no nahitako
Fa misy koa anie fitiavana
Tsy manahy ny ampitso, fa mionona amin'ny anio,
Tsy mila hery fa finiavana
Ny miaina manontolo ny hasambarana ankehitrio;
Ampy ny hita manoloana,
Tsy sembanin’ny hoe nahoana…
Taminao no nanekeko
Fa indraindray anie ny voady
Midika fetra sy famerana; ary ny teny ifanarahana
Dia ny tsy hifampitady,
Fa atao ampy sy sahaza ny fotoana iarahana;
Tsy manadala ny vinany,
Ka ho lasa saina lavitra any…
Taminao no nahatsapako
Fa misy fotoam-pahasambarana
Miorim-paka amin’ny anio, tsy mampahatsiahy irony lasa,
Tsy manahy ny hoe hifarana,
Nefa tsy maminavina, tsy mikendry, na mikasa,
Na manombana ny ho avy;
Tsy manantena na miangavy…
Taminao no nahitako ny dika hafan’ny hoe tia,
Taminao no nanekeko fa tsy misy ny hoe doria,
Taminao no nahatsapako fa misy anie safidim-po
Manavaka sy mitsinjara : tsy voatery ho iray ny roa!
Ryana
(07/07/09)
Mombamomba
Mpanoratra : Ryana
Nampiditra : Ryana-1Daty : 10/10/2013
Mpamangy : 2244
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MBA LAZAO AZYHOY IANAO...
MANDALO IHANY (nadika avy tamin'ny “Ça passe”)
NANJARY TIAKO
ISAO TOERANA AHO (nadika avy tamin'ny "Fais-moi une place")
TIANY, HONO, AHO...
NY HERIKO
RAHA HO AVY
AZAFADY
TSY HAIKO INTSONY...