TSY HAIKO INTSONY... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAIKO INTSONY…

Ireny nofy sy vinany nandravaka ny alina,
Nakariko mazàna;
Ny tahotro mavàny, satria saraka aho ka manina,
Nanahy fiafaràna;

Ny hafaliana lalina, nipololotra tsy hay notànana,
Fa feno sy afa-po;
Ireny didy nahafanina, nametra sy namefy làlana,
Nandrara tsy ho iray ny roa;

Ny anton’ireo tsikiko, ny loharanom-pahasambarako,
Ny anton’ny fanantenàko;
Hatramin’ny anton’ny fisiako, ny lasako sy ny tantarako,
Ny làlana izay hiafaràko…

Ireo rehetra ireo ry tiako, nony injay ianao niserana
Dia voafafa sady foana;
K’izaho manohy izato diako, tsy haiko izay mba ianteherana,
Tsy haiko intsony hoe nahoana…

Ryana
(06/10/08)
--------
Rohy:
3706 4
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 27/05/2009 08:31)
Tena kanto koa raha kanto ny rehetra soratanao sy voavakiko ,hatreto aloha ,satria izao vao naka fotoana namakiana ny tonokalonao rehetra ! Misaotra fa tena mapietsi-po e!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096