Ratsimandrava (sahyman)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana ny vaninandron'ny 11fevrie 1995-11 fevrie 2005 nahalavo ny kolonely Richard RATSIMANDRAVA ( 30 taona lasa )

Dia lavo, hono, ianao, lavo tsotra izao....
Ianao ilay andrarezina tsy vita nofehezina
Ianao ilay voara nanova ny tantara.

Fa moa tsy avy aminao ny tsimoky ny tolona
namaka taminay ?
Nitondra aim-baovao ho an'ny fokonolona
handresy ny mahamay ?
Avy aminao daholo ny famerenan-kasina
ny maha-malagasy,
nandrindra hiova volo mba hadio tarafina
ny sanda malagasy.

Ianao no nampitohy ny sata sy ny zo
mba hisaloranay.
Vona, rojo, rohy nampahatsiahy ny fo
ho malagasy iray.
Fa fahasarotana inona no tsy voavahantsika
tanaty "ala-olana " ?
Fa fanjanahana inona no tsy voapikapikan'
ny andro sy ny volana
rehefa niasa ianao, nilatsaka an-koraka
tanaty horakoraka ?

F'isika hay mahavita, ary ho tafita
rehefa tena isika izay tompon-draharaha
no atao mpitantana,
rehefa tena isika no nitomban-dahy
ka niahy nivantana ny tokantranontsika.

............

Kinanjo vara-datsaka sy rĂ  mangatrakatraka
no sandan'ny fivoarana izay mba nangarangarana,
fa lavo teo ianao, lavo tsotra izao.
Matory ambany tany nefa namela mamy.

Hitoetra anatinay, ho ao mandrakizay
ny tsiaro sy ny tsiahy f' ilaina ny ho sahy
handrodana sy handrava,
hanova izay nesorina
hamboatra sy hanorina
Fiainam-baovao
na tsy eo aza ianao.

Fa lavo, hono, ianao
lavo tsotra izao

SAHYMAN
++ Toamasina , 07 fevrie 1995 ++
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1735 2
Mpakafy: ikalamako - andriary
Hevitra mandeha
andriary ( 11/02/2005 12:42)
Tiako ity tonokalo nosoratanao ity.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sahyman
Nampiditra : sahyman
Daty : 11/02/2005 11:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139