An'i malala (Sambatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho anao ity diam-peniko ity
Tsy dia lava na koa mirindra
Fa fohy ihany kanefa mambara zava-tsarobidy loatra

Atolotro ho anao ity foko ry malala
Ho anao hanjakao
Manomboka izao ka ho rahatr'izay

Atolotro anao fitiavana maharitra
Hitondra hafaliana ho antsika roa
Hasambarana mandrakizay

Atolotro anao fitia mitafotafo
Tsy ho voarodan'iza n'iza
Na rivotra na tadio hiala maina avokoa

Atolotro anao izay rehetra tianao
Atolotro anao izay rehetra mety ho ahy
Atolotro anao izay azoko atao
--------
Rohy:
1466 2
Hevitra mandeha
vale ( 01/12/2005 22:43)
hay ve mba misy lehilahy mitia toy izany!!!
vale ( 12/11/2006 01:32)
oups, miala tsiny izany Miadana a! hay ianao vehivavy!!
vale ( 12/03/2007 00:13)
tss, azoko fa i miadana kay no nampiditra ny tononkalo! tsara be lay izy..raha mba izaho hono no mba misy manome tahaka izany koa an!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sambatra
Nampiditra : miadana
Daty : 12/11/2003 22:31
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094