Mahery ny fitia (Sambatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahery loatra ny fitia
Ka resinao aho ry malala
Babonao ny foko manontolo

Mahery loatra ny fitia
Ka satriko hahita anao hatrany
Isan'andro isan'ora

Mahery loatra ny fitia
Ka manjary tiako daholo izay rehetra ataonao
Manjary mamiko avokoa ianao tsy misy analana

Mahery loatra ny fitia
Ka faniriako ny hiara-dia
Aminao ho doria
--------
Rohy:
1756 1
Hevitra mandeha
vale ( 03/12/2005 00:00)
indrisy fa vitsy ny lehilahy misaina toa anao izany!mahafinaritra e!
vale ( 12/11/2006 01:33)
Miadana: azafady fa hay ve ianao vehivavy e!! tsara be kah! tohizo an!!!
vale ( 12/03/2007 00:11)
tss..marina ihany kay ny 1° kah, miadana nampiditra ny tononkalo! hihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sambatra
Nampiditra : miadana
Daty : 12/11/2003 21:59
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096