Tso-drano - Sambatra
Azo vakiana?
Sarobidy loatra ianao ry aiko
Mamiko sy tena tiako
Tso-drano no atolotro ho anao
Raha hamaky ity fiainana ity
Mbola lavitra izato lalana
Tsy maintsy hodiavinao
Ka mahereza sombiniaina
Ny Tompo anie homba anao
Amin'izay zavatra rehetra kasaina ka hototonsaina
Izy anie hamelombelon'aina
Ka mba hahita mamy ety
Mba haniry fa tsy ho irina olona
Ka mba ho reharehan' ity tanindrazana
Hanondrotra hatrany ity Gasikara
Mombamomba
Mpanoratra : Sambatra
Nampiditra : miadanaDaty : 12/11/2003
Mpamangy : 1360
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mahery ny fitiaAn'i malala
Ity foko
Faniriana
Variana sy sondriana
Fikirizana