Nofiko, hono ... (Samuël Ratany)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko, hono ...

Dia renoka tao amin'ny alina tao
izany nofoko vizan'ny andro efa lany,
ka nofy naterin'ny foko no injao
fa nasesik'ilay fahanginan'ny tany.

Dia nofiko, hono, fa indray novorina
ny velona tamin'ny tany rehetra,
hatao an-kilasy sy ho tadidina,
ho hita izay faly sy izay manjoretra.

Dia hitako teo ny mpividy fitia
sy mpitoky ny volany mbola mafonja,
harena no nenti-nanova ny tsia
mba ho eny miserana indray andro monja.

Dia tazako koa ny fitia natakalo
voafingan'ny vidin'ny ron-tsaramaso,
ka ny efa eo an-tanana, tonga nandalo,
ny tena no sisa, mifia-dranomaso.

Ireo efa voafitaka, hono, dia indreto
fa niara-niriotra sy niara-nanainga
ny feo fitarainan'ny fony misento
mitsetra ny marina niova ho lainga.

Ireo feo mora taitra, nalaky nirona,
nanombim-pitiavana sady nizara,
ka tsy mba nitsinjo ny loza hidona,
fa nety voasinton'ny kopa-mosara.

Jereko, ka niara-nisotro kapoaka,
fa tojo ny ratsy sy diso fifidy,
voagejan'ny tody, ka tsy afa-nivoaka,
fa hery nigoka ny zava-mangidy !

Ny maro zatovo nilaza "tsy impiry",
"tsy impiry tanora", nanao vonjy maika,
no hitako tratry ny mangirifiry,
manenina no sady tomany mikaika.

Ny fo nosingoran'ny olon-tiana
dia samy voamarika tombo-kavatsa,
voasoratra hoe "tsy fanahy niniana,
voankazo nandramana ity no mandatsa !"

Ka nony navahana, samy voaisa,
dia dia indreny fa ny ory natao iray foko,
ny faly sy miadana, firy no sisa ?
Jereo : fahafolon'ireo mitoloko !

Ny fototr'izany dia tsotra, satria
ny fitiavana, zahatra very fivoy,
izay mifaly ao anatin'ny rano maria,
ka mihodina kely, dia rendrika, afoy !

Mba mahantra ny fon'olombelona itony,
mihambo handidy ny tenany ihany,
milaza hahery, milaza ho ambony,
kinanjo ny sento no tany iafarany !

...

Dia taitra aho, hono, ny nofiko lasa,
ny nofin'ny foko izay sasa-dahasa.

Ny Tanamasoandro, lah. 237
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
13027 5
Hevitra mandeha
MIROHY ( 27/01/2023 18:13)
Kanto loatra! Hafa ihany ny mpanoratra taloha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Samuël Ratany
Nampiditra : pissoa
Daty : 15/04/2010 14:18
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135