Ny teny (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray ny teny mety handràtra
Raha mivoaka hatramin' ny fady
Miteraka hasosorana avo fatra
Mahatonga irony disa hivadik'ady ...

Indraindray ny teny mety hanimba
Raha toa mifono fandatsàna
Mamotika ny saina ho lasa vida
Mandrisika ny fo handika ny lalàna ...

Indraindray ny teny mety hamono
Raha toa k' ity mahery loatra
Ny fanahy no indro fa voatono
Voatsara tsy ho any ankoatra ...

Fa matetika ny teny no mamelona
Manisy aina ny voahary izay malazo
Mankamamy ny ngidy tsy voatelina
Fanafody mpanasitrana ny tazo ...

Dia Matetika ny teny no hananarana
Ny zaza vory saina iray maditra !
Fomba fandrefesam-pandaharana
Ny taonjato fito ho iray minitra ...

Ka ny miteny marina àry moa
Dia toetra tombony ho anao
Fa hay ny teny fotsiny ihany koa
No namoronana an' izao tontolo izao ! ...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
832 2
Mpakafy: Tojonyomaly - TRRV
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167