You are here: home > Vetso

Ry tsy hita - saoly

Ririnina tontolo no lany,
niandrasako hafatr'ho voaray.
Fa toy ilay hazo ery antokotany
tsy misy ravina na iray.
Ilay nambolena zana-ketsa,
nisy hitsin-dalana niforona.
Izay mbola petsapetsa,
eo no itangoronan'ny vorona.

Nandalo koa ny lohataona,
masoandro hila havaky loha sola.
Indreny tazana mifampitaona,
eny amoron-tsiraka ny manam-bola.
Re misitsioka aok'izany
ry vorona tsy hay hoe ahoana.
F'izaho ity mbola eto ihany
tsy mahalala zay misy anao foana.

Maitso avokoa ny manodidina.
Fahavaratra no ity manjohy.
Efa misy mahay manidina
ilay zana-borona vao fohy.
Miakatra indray ny rano,
dia eo akaikiny eo ny vary.
Ilay tsy mifandao ety an-trano,
Indreo eny an-tsaha tsy mifanary.

Mihamena ny fody hanokatra
ny taom-pijinjana ho avy.
Miandry  fararanom-bokatra
toy ny volin'izy mianakavy.
Ny olona, ny ravin-kazo
Miova loko, mihamaina.
Fa dia mbola tsy nahazo
izay antso iray mba nandrandraina.

Ireo olona tsy eo...
Ny tena manorisory,
toa hitanao, toa re feo
ao an-doha na efa hatory.
Ataonao ho mora amin'ny saina
ny hamaf'alahelo mangina.
Saingy indrisy vao maraina
dia ataony sarika am-pandriana.

Mba valio raha mba hainao,
Mbola hafiriana no hisodisody
handindona amin'izay atao
ny alok'olona tsy mety mody ?
Miteny irery, miangavy.
Tsy mbola adala ve, mba manontany ?
Fa ireo olona tsy ho avy
Tsy misy iraharahiany izany.



Fa resak'inona ary izany ?
Fambolena, fizaran-taona,
Toa vorona mananihany,
Miseratserana eny foana?

Kisary ireo, ahazoanao kokoa,
izay tiako ho antitranterina
dia hoe izaho mora miraiki-po
amin'ny zavatra mbola miverina.

Hevitra mandeha

lemady (18/11/2018 11:32:22)

(conversion Les gens absents Francis Cabrel)

Mombamomba

Mpanoratra : saoly

Nampiditra : lemady
Daty : 18/11/2018
Mpamangy : 736
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Sain-davitra
Fara-hafatra
Ilay toakako
Tokim-pitiavana (extrait)
Natao ho an'iza
I kala anona