Fara-hafatra (Lemady)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay ho ampitso aloha tsy haiko,
f'ity fara-hafatra ho lazaiko
raha ho faty aho rahatrizay.
Tonga dia ekeo hoe "Eny"
dia araho ara-bakiteny,
hanangatra aho raha tsy izay.

Toy ny zaza vao teraka,
ampitanjao tanteraka.
Na voloina aza tsy arata.
Esory izay kisolosolo;
ny solo-nify, solom-bolo...
Ho natoraly, tsy mikata.

Ny tongotro amboary hibaka.
makà hodi-biby ataoko salaka,
sy tahirim-pahavazimba ela.
Kibay sy vato karangana,
taolam-biby lany tarangana,...
Ireo potiny sisa tavela.

Aza atao am-pasan-drazana
fa miadia eny an-tany ngazana
lavaka mangadihady.
Rehefa miseho ilay volon-tany
niainan-dRajako fahizany
vao apetraka ny angady.

Dia ao aho no hampandriana,
miampy ireo haza sy fiadiana
atao mihodidin'ilay vatana.
Teneno koa ireo mpibata
mba tsy handevina ahy am-bata
fa rakofa-tany mivantana.

Rehefa manototra ianareo,
ilay tany izay nohadiana teo
mba samy hiverina amin'ny toerany.
Tsy atao faritra arovana,
tsy asiana mari-pahatsiarovana
na "Itompkolahy sy ny terany"

Tsy hoe izaho no te hisintaka
na finiavana hamitaka
ireo mpikaroka any aoriana.
Tsy tiako ho hain'ireo taranako
F'ianareo no ninamanako,
Nisy fomba-fiaina nitoviana.

Zany hoe tsy mba fisangy, f'efa maika ny ho dangy angaha sa mitady hipika?


Razambe tsy manjary anie no hotantarain'ny zavaboary amin'ireo dimbitsika e!
--------
Rohy:
1009 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 12/04/2019 09:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154