Natao ho an'iza (Ny angola)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natao ho an’iza moa ianao ry voninkazo kely tsara
Izay mivelatra maraina?
Natao ho an’iza mba lazao, fa mba manana hambara
‘Ty mpamboatra zaridaina!
‘Zato hakantonao madera sy ny hanitra miraraka
Manintona mpijery….
Mba hataoko teny miera sao mba mety hifanaraka
Ami-vaziko ho ahy irery?

Efa tazako any ho any ireo tantely sy ny lolo,
Nifanao tsy homby aloha…
Nifandrombaka aok’izany te hitsentsitra daholo,
‘Zato hanitrao tsy toha!
‘Zaho ve no niasa mafy sy niaritra ny zavona,
Nanondraka maraina?
Dia nahoana no ny rafy no avela higalabona,
F’izaho no hiala maina???

Natao ho an’iza moa ianao azafady mba valio,
Ity baraingo mahafanina?
Natao ho an’iza mba lazao fa te handre am-po madio
Ity mpamboly valalanina?
Efa reraky ny angady,tsipy rano sy ny sisa
Te hioty anao môdeliny…
F’efa tsinjony sahady fa ho lasa paradisa
‘Zato tranobongokeliny…

Dieny mbola tsy mandalo ireo mpividy voninkazo
Sy ny vola izay omeny,
Dia aleoko mba mivalo sy mangataka hahazo
F’aminao ny faran-teny…
‘Zaho ve no nde hikipy hosandaina vola kely,
Hitondrana anao an-tsena???
Ka tsy aleoko dia atsipy ity asa tsy mamely
Raha izay no fahendrena???
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Hambom-po - Fitiavana
982 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny angola
Nampiditra : lemady
Daty : 18/11/2018 12:35
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099